1 Haleloia. Mider ny anaran'i Jehovah; Mider, ianareo mpanompon'i Jehovah,

2 Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.

3 Mider an'i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalaz ny anarany, fa mahafinaritra izany.

4 Fa Jakoba nofidin'i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,

5 Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.

6 Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na et? ambonin'ny tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.

7 Mampiakatra zavona avy amin'ny faran'ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,

8 Dia Ilay namely ny voalohan-terak'i Egypta, Na olona, na biby.

9 Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta , Eny, tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra, 

10 Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,

11 Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana rehetra;

12 Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony.

13 Jehovah , mandrakizay ny anaranao; Jehovah , hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.

14 Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony. 

15 Ny sampin'ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tnan'olona;

16 Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;

17 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.

18 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.

19 Misaora an'i Jehovah, ry taranak'Isiraely; Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Arona;

20 Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Levy; Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, misaora an'i Jehovah.

21 Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
